Teny Gasy 2.0
Mombamomba ny vina

Ny tantaranay sy ny tanjonay.

Tamin'ny taona 2019, nisy hetsika iray izay nampihaonana ireo mpisehatra eo amin'ny aterineto mivoy ny teny malagasy. Teny Gasy 2.0 no anaran'io hetsika io. Volana vitsivitsy taty aoriana, nisy olona maromaro resy lahatra fa tsara tohizana ilay fampiroboroboana ny teny malagasy any amin'ny aterineto ka tapa-kevitra fa hivondrona. Nanomboka teo dia lasa fikambanana ny Teny Gasy 2.0 ka nanatanteraka hetsika maromaro toy ny fiofanana blaogy sy teny malagasy tamin'ny Novambra 2019 sy Febroary 2020, fifaninanana lahatsoratra am-blaogy tamin'ny Novambra 2020 ary ny hetsika "Teny Malagasy Antsika Rehetra" tamin'ny Febroary 2021.

Tao aorian'izay dia niato ny TG2.0. Tsy fiatoana fe fiatoana fotsiny anefa fa fotoana nandinihana ny zava-misy, nikarohana, nifanakalozan-kevitra ary nakàna bahana mba hahafahana miroso lavitra kokoa sy miakatra ambony kokoa.

Koa voatsangana ara-panjakana ary ny fikambanana Teny Gasy 2.0 tamin'ny Desambra 2025 teo, miaraka amin'ny vina vaovao izay voafehy ao anatin'ny teny filamatra hoe "teny malagasy, tenin-drazantsika, tenintsika, tenin-janatsika".

  • Fanomezan-danja ny fampiasana ny teny malagasy eo amin'ny sehatra rehetra

  • Fampiakarana ny lentan'ny teny malagasy mba hamiratra eo imason'ny tanora sy ny avara-pianarana

  • Fampitana ny teny malagasy amin'ny taranaka